Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiatrehana fifidianana: miantso fitoniana tsy ho any amin’ny korontana ny Vot

    Fiatrehana fifidianana: miantso fitoniana tsy ho any amin’ny korontana ny Vot

    Tsotra sady mazava ny hafatra. “Aoka isika hanentana ny olona hifidy ary hanaja ny soatoavina malagasy. Na inona na inona fotokevitra, tsy tokony ho tonga any amin’ny ady an-trano isika”, hoy ny filohan’ny Vondron’olon-tsotra (Vot), i Saraha Zoe, omaly tetsy Ambohijatovo. Nanteriny fa manomboka hita taratra eny anivon’ny fiarahamonina ny fifandirana sy ny fifankahalana, ahina ho tonga amin’ny lonilony. “Miara-mizaka ny vokatr’izany avokoa ny rehetra avy eo raha mikorontana isika. Efa nahazo faka loatra ny takaitran’ny 2009 ka tokony hahay haka lesona avokoa isika”, hoy ny ihany izy.

    Na izany aza, nambarany fa mila raiamandreny ampy traikefa ny fitantanana ny firenena. Afaka mampiombona sy mampivondrona. “Hanarina sy hamerina indray ny fari-piainan’ny vahoaka amin’ny toerana tokony ho izy. Mahafehy ny fifandraisana iraisam-pirenena sy manana vina, indrindra ny fanamboaran-dalana. Tsy hisy fampandrosoana vanona eto raha tsy eo ny lalana”, hoy ihany izy.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.