Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kandidà Rajoelina tany Menabe sy tany Bongolova: “Hataontsika firenena mandroso sy fitaratra i Madagasikara”

    Kandidà Rajoelina tany Menabe sy tany Bongolova: “Hataontsika firenena mandroso sy fitaratra i Madagasikara”

    Anjaran’ireo kaominina maromaro any Bongolava sy any Menabe indray ny nihaona tamin’ny kandidà Rajoelina, omaly. Anisan’izany ny any Bemahatazana, ny any Ankadinondry Sakay, ny any Ambalanirana, ny any Belo Ambonin’i Tsiribihina, ny any Mahabo, ny any Miandrivazo. “Hataontsika firenena mandroso sy fitaratra aty Afrika i Madagasikara”, hoy izy. Nambarany fa hitondra fanantenana ny tenany ary tapitra hatreo ny tany lavitra andriana. Maromaro ny fampanantenana nataony amin’ireo kaominina sy distrika amin’ireo faritra roa ireo. Ny hanaovana manara-penitra ny CSB II, ny ady amin’ny kolikoly, ny fametrahana vondron-tafika manokana hiady amin’ny dahalo miaraka amin’ireo fitaovana toy ny helikoptera miisa 10 sy fiara 4×4.  Ny fanamboarana tetezana sy tohodrano ary fanorenana orinasa hanamboatra zezika. Ny hametrahana “bulls sy “tracks” hanamboatra ny lalana rehetra. Hatao manara-penitra ny tranompokonolona ao Sakay. Eo koa ny fametrahana orinasa hamatsy “panneaux solaires”. Haorina ny kianja manara-penitra. Manampy izany ny handefasany vary mora hovidian’ny mponina amin’ny antsasa-bidy. “Na isika misafidy ny mazava na hijanona anaty haizina. Hitondra ny mazava ao an-tokantranonao ny “N°13””, hoy izy.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.