Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ady amin’ny pesta: manamafy ny fomba fiasa ny Croix rouge Malagasy

    Nanatanteraka atrikasa nanaovana jery todika sy nijery ny fanatsarana ny fomba fiasa vaovao ny ekipan’ny Croix rouge Malagasy, miandraikitra ny ady amin’ny valan’aretina pesta. Anisan’ny paikady nentina ary nahitana vokatra ny tohana ara-tsaina omena ireo marary izay tratran’ny fanilikilihan’ny fiarahamonina.

    Nampianarina hiverina eny anivon’ny  fiarahamonina ireo narary avy nanaraka fitsaboana ka sitrana soa aman-tsara. Nampahafantarina ny fiarahamonina ihany koa fa toy ny aretina rehetra ny pesta ka rehefa sitrana ny marary dia afaka miriaria toy ny rehetra ka tsy tokony hatosika.

    Miasa amin’ny faritra fito ahitana ny aretina pesta ny Croix rouge Malagasy. Hamafisina  ny fomba fiasa, indrindra ny fanentanana ny olona hiady amin’ny voalavo sy ny parasy izay fototry ny aretina pesta.

    Anisan’ny nandray anjara ireo mpiantsehatra rehetra avy amin’ny Croix rouge sampana miady amin’ny aretina pesta, notarihin’ny lehibeny, Iandrisoa Hardy François. Teo koa ireo mpiara-miombon’antoka toy ny minisitera maromaro ary ny solontenan’ireo marary efa sitrana izay nanambara ny sedra nolalovany.

    Tatiana A

     

     

    Les commentaires sont fermées.