Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tenisy – «Les petites mains de la Réunion»: vonona ny hiady ny lohany ny solontena malagasy

    Tenisy – «Les petites mains de la Réunion»: vonona ny hiady ny lohany ny solontena malagasy

    Hanomboka rahampitso, alarobia 19 desambra, ilay fifaninanana antsoina hoe “Les petites mains de la Réunion” izay hotanterahina any La Réunion. Solontena malagasy miisa 4 no handray anjara mandritra izany. Mpilalao notsongaina tamin’ny alalan’ny lalao fifanintsananana, notontosaina ny volana novambra lasa teo ka nahafahana namoaka izay mendrika hiatrika ity fifaninanana ity.

    roa vavy sy roa lahy, dia Razakaniaina Maholy, i Robinson Andrianafetra Miarana, Andrianavalona Alvin ary Andrianaivo Raharinosy  Harena no hitondra avo ny voninahi-pirenena any La Réunion, rehefa avy nifanintsana tamin’ny mpifandrina azy avy. Ho an-dRazakaniaina Maholy, nolavoiny tamin’ny seta 2 no ho 0 (4/0 4/1) Razafinarivo Mirindra. Niondrika teo anatrehan-dRobinson Andrianafetra Miarana kosa Andriantefihasina Elisoa, tamin’ny seta 2 no ho 0 ihany koa.

    Ho an’ny sokajy zazalahy kosa, samy nibata ny fandresena nanoloana ny mpifanandrina taminy, tamin’ny seta 2 no ho 0, Andrianavalona Alvin sy Andrianaivo Raharinosy Harena, ka nahazo ny tapakila ho any La Réunion, hiatrika ny fifaninanana “Les petites mains de la Réunion”. Fifaninanana izay haharitra 6 andro ka tsy hifarana raha tsy ny faha-24 desambra izao.

    Marihina fa anisan’ny manatevin-daharana ny delegasiona malagasy  hitondra ireto mpilalao ireto, ny mpanazatra nasionaly, Rasolomalala Ando. Izy ireo izay hanainga,anio, hihazo an’i La Réunion.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.