Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Amparihy Ankazoabo: mpikamban’ny birao fandatsaham-bato roa lahy maty voatifitra

    Raikitra ihany ny fifidianana na nisy namono aza ny zanaky ny sefo fokontany mirahalahy, ao Amparihy, folo kilaometra miala ny distrikan’Ankazoabo, izay mpikamban’ny birao fandatsaham-bato any an-toerana.

    Omaly maraina, tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany raha handeha hamonjy ny birao fandasaham-bato ao amin’io fokontany io izy mirahalahy, no nisy nitifitra ka maty tsy tra-drano. Araka ny vaovao azo, nisy vehivavy tafaraka amin’izy ireo nieren-doza, nahafantatra  ilay olona namono. Nahafahana nisambota ny rain’ilay tovolahy namono izany ka tazonina ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Ankazoabo izy amin’izao fotoana izao. Hatreto, mbola ny resaka lonilony no heverina ho antony namonoana azy mirahalahy ireto, saingy hahafantarana ny tena antony ny famotorana satria isan’ny mpikambana ao amin’io birao fandatsaham-bato  io izy mirahalahy. Manoloana ny zava-misy, samy nandray andraikitra ny rehetra any an-toerana amin’ny fampandehanana ny fifidianana sy ny fikarohana ny olona nahavanon-doza. Araka ny voalaza etsy ambony, misolo vaika ny akalana ny rainy amin’izao raharaha izao mandra-pahitana ity tovolahy namono ity.

    CMS

     

    Les commentaires sont fermées.