Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Efa nahazo 15 tapitrisa Ar: tratra ireo roa lahy mpanao “visa” hosoka

    Efa nahazo 15 tapitrisa Ar: tratra ireo roa lahy mpanao “visa” hosoka

    Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny “enquête spécialisée”, teny Mahamasina, ny zoma teo, ireo roa lahy malaza ratsy amin’ny fanaovana “visa” hosoka mankany Frantsa. Araka ny fanazavan’ny polisy, naharay fitoriana miisa dimy izy ireo momba ny fanaovana “visa” hosoka mankany Frantsa. Olona tonga teny amin’ny TLS eny Ankorondrano izay hanamboatra “visa” no nahita lehilahy iray nitonona fa manana namana miasa ao amin’ity sampandraharaha ity ka mahavita manome “visa”, ny volana oktobra lasa teo. Nalain’ireto mpisoloky ireto ny antontan-taratasy sy ny vola hanamboarana ilay “visa”. Vola mitentina 15 tapitrisa Ar ny efa azon’izy ireo tamin’izany. Vola 3 200 000 Ar isan’olona no alain’ireto mpisoloky ireto tamin’ireo olona efatra fa ny olona fahadimy kosa, 6 tapitrisa Ar izay marihina fa efa naka “visa” ity olona ity, saingy tsy nahazo ka hikarakarana izany ny anton’ilay vola mihoatra no ho ny an’ireo efatra voalohany. Tonga haka ilay “visa” teny Ankorondrano, ny fiandohan’ity desambra ity, ireo olona ireo ka teo vao taitra fa tsy nekena ny “visa”-n’izy ireo. Nametraka fitoriana ireo voasoloky ka voasambotra ireto mpisoloky ireto.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.