Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    EPP Itaosy: nisy nanipy Cocktail Molotov ny birao fantsaham-bato

    Nitrangana fipoahana tao an-tokotanin’ny birao fandatsaham-baton’ny EPP Itaosy, omaly hariva tamin’ny 4 ora sy 15 mn. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisy, Cocktail Molotov ity nisy nanipy ka nipoaka tao an-tokotanin’ny birao fandatsaham-bato ity. Cocktail Molotov tanaty tavoahangy plastika kely natsipin’olona avy ivelany tao amin’ny faritry ny birao fandatsaham-bato ity nipoaka ity. Teo amin’ny 20 metatra miala ny birao fandatsaham-bato no nitontona ilay Cocktail Molotov. Tsy fantatra mazava izay olona tompon’antoka tamin’ny fanipazana azy ity avy any ivelany, saingy tsy nisy kosa ny naratra na aina nafoy na fahasimban-javatra nandritra ny fipoahan’ity Cocktail Molotov ity. Efa mandeha kosa ny famotorana rehetra eo anivon’ny mpitandro filaminana amin’izay tompon’antoka tamin’ity fampihorohoroana ity.

    J.C

     

     

    Les commentaires sont fermées.