Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Indray mijery

    Lany ho filoha vaovao nandritra ny fifidianana natao tamin’ny fihaonamben’ny fianakaviamben’ny Croix rouge malagasy natao tany Antsirabe, ny 13 sy 14 desambra teo, ramatoa Ralisoa Alice. Izy no hitantana ny Croix rouge malagasy mandritra ny efa-taona manaraka. Marihina fa mandalo fotoan-tsaraotra ny Croix rouge Madagascar amin’izao fotoana izao. Maro ireo mpiasa naato tamin’ny asany noho ny tsy fisian’ny vola handoavana ny karamany. Tsy misy ny famatsiam-bola.

    Nivadika ho rivodoza ka nomena anarana Cilida, omaly maraina, ilay andro ratsy niforona ao avaratra atsinanan’ny Nosy. Tamin’ny 9 ora maraina, omaly, tany amin’ny 1 240 km avaratra atsinanan’Antalaha no nisy ny ivony. 65 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra manodidina ny 90 km isan’ora. Mikisaka mianatsimo somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 7 km isan’ora. Vinavinaina hitombo hery hatrany izy ao anatin’ny telo andro ho avy ary tsy hikasika ny morontsirak’i Madagasikara, araka filazana loza azo, omaly.

     

     

     

    Les commentaires sont fermées.