Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hevitra mandalo; resaky ny mpitsimpona akotry: na tsy hifankatia aza, vita teo ny fifankahalana

    Tsy rehefa tsy mifankatia dia voatery hifankahala. Misy fizarana toy ny fisehon’ny zana-tohatra ny elenelana fitsinjarana ny fifandraisana eo amin’ny fiarahamonina. Malefaka nefa sarotra rovitina ny fihavanana. Miainga avy any amin’ny maha mpihavana, mitety an’ireo karazana fifankatiavana na finamanana na fisakaizana, hatrany amin’ny fifampikasokasohana noho ny maha mpifanolo-bodirindrina. Afaka heverina fa toy ny olona mifanolo-bodirindrina na toy ny mpiray tanàna ny Malagasy rehetra. Iombonana ny tontolo iainana, iombonana ny lalàna mifehy, iombonana ny fizotran’ny ampitso, iraisana ny olona nomena fahefana voafidin’ny maro an’isa. Nifanekena koa ho malalaka ny fanoherana ao anatin’ny fanajana ny lalàna. Inona indray no mety antony ifankahalana ?

    Any am-piandohana, ny fametrahana ny filatsahana ho mpifaninana amin’ny fifidianana efa mifono fanambarana fahafantarana ny fitsipika. Fanekena  ho fehezan’izany. Fahavononana hanaja ny vokatra voangon’ny CENI sy ny fanambarana farany ataon’ny HCC rehefa aorian’ny fandinihany an-tsakany sy an-davany ny tarehimarika sy ny kajy momba izany sy fanaovany famafakafana mikasika ny fitarainana mety hitranga.

    Fitiavan-tanindrazana no ifaninanana. Hevitra tsy mitovy no ampiadiana, inona no mahatonga fisehon’ny firafesana sy adilahy tsy misy fahamendrehana ? Ao raha ! Alahelon-kanina araky ny fiheveran’ny betsaka. Adi-hevitra tsotra izao moa dia efa mety hitranga ny alahelo. Raha fandrosoan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pirenena no voatsipaky ny safidim-bahoaka, tsy mainka voa hangidy ny vava ! Izany izy hoe safidim-bahoaka izany anefa no tokony ahitana antony fitoniana. Na tsy nifanandrify amin’ny andrasan’ny mponina ny tanjona sy ny tetika naroso, na tsy ampy ny fahaizana nandresy lahatra, na ny olona mihitsy no tsy ankatoavin’ny maro an’isa ! Rehefa izay no niseho, tsy maintsy mionona.

    Ny voalohan-tenin’ny mpilatsaka rehetra moa dia ny fitiavan-tanindrazana fa eo amin’ny fahareseny no tena ahitana an’izany. Ny fahendrena manoloana izany dia ny fanetren-tena fa tsy ny fiziriziriana amin’ny fanilihana fahadisoana any amin’ny sasany na any amin’ny zavatra hafa. Ny halatralatra na madinika na vaventy, tsy misy izay tsy azon’ny fakam-panahy raha afaka manao izany. Tsy mila mitady lavitra fa ny tena no tsaraina voalohany mikasika an’io fahotana io. Fitetezana petsapetsa toy izany ny sehatra nifaninanana hatramin’izay, izay tafita voalohany ihany no hany izy.

    Fampiononana ho an’ny resy ny hoe ny manetsa be mbola ho avy. Ho azy ireo, ny fitsinjovana ny tsy hitrangan’ny korontana no fitsipika voalohany amin’ny fahaizana mampiray fitiavan-tanindrazana sy hetsika fanoherana.

    Léo Raz

    Les commentaires sont fermées.