Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rallye: nodimandry i Autale Serge

    Misaona ny tontolon’ny fanamoriana fiara-kodia malagasy sy Renioney ary indrindra ny eo anivon’ny klioba FMMSAM (Firaisana Malagasy Mpanao Sport Automobile sy Moto). Nodimandry ny alin’ny noely lasa teo, i Serge, filohan’ny klioba ASA Bourbon, nosy La Réunion. Ity klioba misy azy ity izay mikambana amin’ny FMMSAM, 11 taona izay. Marihina fa ny taona 2017 lasa teo no nankalazaina ny faha 10 taona nikambanan’ireto klioba roa ireto.

    “Mafy ho anay ny nandaozana ity namana, filohan’ny klioba ASA any La Réunion ity. Maro ny nifampizarana sy nifanampiana, tao anatin’izay fotoana niarahana izay. Ny klioba Asa izay klioba kambana amin’ny FMMSAM ary nifanohana taminay foana hatramin’izay”, hoy ny fanambarana nataon’ny klioba FMMSAM tao anatin’ny pejy fesiboky, ny andron’ny nahafatesan’i Autale Serge. Nanamafy ny klioba FMMSAM, tarihin’ny filohany, fa miaraka ory tanteraka amin’ny klioba Asa Bourbon sy ny fianakaviana iray manontolo.

    Raha ny loharanom-baovao, ny tsy fahasalamana teo aminy, efa amam-bola maro izay no nitarika izao fahafatesan’i Autale Serge izao.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.