Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taona 2018 – Kidnapping: karana miisa 15 nalain’ny jiolahy an-keriny      

    Nahazo vahana, nandritra ity taona 2018 ity, ny raharaha “kidnapping” teratany Karana. Miisa 15 ireo teratany Karana nisy naka an-keriny niampy teratany tonizianina iray. Nanomboka ny 17 janoary 2018 izany fakana an-keriny teratany Karana izany. Nisy taorian’izay, ny diabe nataon’ireo olona mitaky ny fisian’ny fandriampahalemana hampitsaharana ny fakana an-keriny, ny 15 martsa 2018, nandritra ny 5 min, nampaneno klaxon sy tako-bilany, mitaky izay fandriampahalemana izay. Raha tsiahivina, ireto avy ireo teratany Karana nisy naka an-keriny tamin’ity taona 2018 ity :

    I Kalidas nisy naka an-keriny teo Antanimena, ny 17 janoary 2018 raha teny an-dalana hihazo ny trano fonenany eny Ivandry. Notazonin’ireo jiolahy, nandritra ny 16 andro izy vao navotsotra. I Akyl Cassam Chenaï, mpandraharaha any Toamasina, nisy naka an-keriny, ny 2 febroary 2018, I Navaz Veldjee nisy naka an-keriny teny Ampasampito, ny 24 mey 2018, I Rishi Chandarana, nalain’ny jiolahy an-keriny,ny 3 jona 2018 teo am-pivoahana ny toeram-pilalaovana golf eny Andakana. Ny rainy, i Pradeep Chandarana izay tompon’ny hotely Melis koa dia efa nalain’ny jiolahy an-keriny, ny 7jona 2018 ary votsotra ny 13 jona 2018 rehefa avy nanome vola ny fianakaviany. I Moustafa Hiridjee, nisy naka an-keriny ny 11 jona ary votsotra ny 18 jona. I Nizar Pirbay, nalaina an-keriny tany Toamasina, ny 10 jona ary votsotra ny 2 jolay 2018. Teo koa i Sabera Vasram, vehivavy karana vadina mpandraharaha, nisy naka an-keriny teny Ivandry, ny 6 jolay ary votsotra ny 7 jolay rehefa nandoa volabe ny fianakaviany. I  Sabir Molou, nisy naka an-keriny ny 13 oktobra teny Ivandry ary Raïma, ilay zazavavikely 11 taona, zanaka Karana, nisy naka an-keriny ny 9 novambra ary I  Riaz Assim karana mpandraharaha nisy naka an-keriny, ny 26 novambra teny Ambatobe.  I Arman Kamis, karana mpandraharaha nalaina an-keriny, ny 9 novambra tany Toamasina ary I  Sofiane Omrani sy ilay Tozianina Malik Karmaly, ny 26 novambra lasa teo.

    J.C

     

     

     

    Les commentaires sont fermées.