Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tenisy – “LES PETITES MAINS”: tompondaka ny olon-droa Malagasy

    Nifarana ny talata 24 desambra lasa teo, ilay fifaninanana antsoina hoe “Les petites mains de la Réunion” izay notanterahina tany La Réunion. Solontena malagasy miisa 4 no nandray anjara nandritra izany. Mpilalao notsongaina tamin’ny alalan’ny lalao fifanintsanana, notontosaina ny volana novambra lasa teo ka nahafahana namoaka izay mendrika hiatrika ity fifaninanana ity.

    Tsara ny vokatra amin’ny ankapobeny ho an’ny Malagasy, indrindra teo amin’ny sokajy olon-droa. Amboara miisa 3 no azon’ny mpilalao malagasy. Samy nanamarika isa ambony avokoa na ny sokajy lehilahy na ny vehivavy. Nivoaka mpandresy nanoloana an-dry zareo Renioney ny vehivavy malagasy, Razakaniaina Maholy sy Andrianafetra Miarana, tamin’ny alalan’ny seta 2 no ho 1. Torak’izany koa ny lehilahy, olon-droa izay nahazo seta 2 no ho 1, nanoloana ny nosy La Réunion. Mbola nahazo ny amboara ihany koa teo amin’ny sokajy olon-tokana, i Andrianavalona Mihaja, raha toa ka nihintsana tamin’ny lalao famaranana kosa Razakaniaina Maholy, sokajy olon-tokana vehivavy.

     

    Mi.Raz

     

    Valin’ny lalao famaranana “Les petites mains de La Réunion”

    Olon-tokana

    Lehilahy (10-11 taona) :
    Alvin Mihaja Andrianavalona (Madagasikara) 5/0 5/4 Clément De Maudave Bestel (Maorisy)

    Vehivavy (13 taona) :
    Maholy Razakaniaina (Madagasikara) 3/5 5/1 8/10 Jade Emier (Réunion)

    Olon-droa
    Vehivavy :

    Maholy Razakaniaina sy Miarana Andrianafetra (Madagasikara) 2/3 3/1 10/5 Jade Emier sy Ely Laure (Réunion)

    Lehilahy:

    Harena Andrianaivo Raharinosy sy Alivn Mihaja Andrianavalona (Madagasikara) 3/1 1/3 10/7 Titouan Sarrat sy Pontiac Kwan Tat Zhi-Yan (Réunion)

    Les commentaires sont fermées.