Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taksibrosy avy any Itasy: miverina eny Imerintsiatosika ny farany

    Taksibrosy avy any Itasy: miverina eny Imerintsiatosika ny farany

    Misokatra ny fitaterana rehetra eto amintsika, amin’ny 5 ora maraina hatramin’ny 3 ora tolakandro, afa-tsy ny zotra nasionaly sy rezionaly miditra na mandalo eto Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa. Tsy maintsy harahina kosa ny fepetra ara-pahasalamana rehetra.

    Nanitsy ny fanapahan-kevitry ny governoran’Itasy, ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT), mikasika ny fetra fijanonan’ny fiara mpitatitra avy any amin’ny faritra Itasy, miakatra aty Antananarivo. Nilaza mantsy ity farany fa ferana eny Ambatomirahavavy ny fijanonan’ny fiara avy any andrefana. Araka ny fivoriana nataon’ny ATT, omaly, nilaza ny tale jeneraliny (DG), ny Jeneraly Reribake Jeannot, fa tsy nekena io fanapahan-kevitry ny governora Itasy io, ka naverina eny Imerintsiatosika, fetra manasaraka amin’ny faritra Analamanga, ny fiantsonana farany ny zotra avy any Itasy.

    Tsy misokatra ny rezionaly Analamanga,…

    Nisy rahateo ny fampahafantarana (naoty) navoakan’ny minisiteran’ny Fitaterana (MTTM), ny 23 avrily teo, fa miverina miasa ny zotra nasionaly sy rezionaly, afa-tsy ireo izay miainga na mandalo an’Antananarivo, Toamasina ary Fianarantsoa. Nohamafisin’ny DG, ny Jly Reribake Jeannot, fa “tsy misokatra ny zotra rezionaly ato amin’ny faritra Analamanga, toy ny mankany Anjozorobe, Manjakandriana, Andramasina, sns”. Tsy maintsy arahina daholo anefa ny fepetra ara-pahasalamana efa napetraka (elanelana 1m, arovava, fanafody, fanasana Tanana,…).

    Njaka Andriantefiarinesy

    Manamarika ny ATT, fa tsy azo atao mihitsy ny manondrotra saran-dalana manerana ny Nosy. Koa, raha mahita fiara mampiakatra saran-dalana ny olon-drehetra, ny mpandeha, azo antsoina ny laharana 034 49 987 64 ho an’ny taxi-be eto Antananarivo Renivohitra (zone urbaine), ary ny laharana 034 07 213 63 , na mandefa SMS amin’ny 034 05 509 28 raha zotra manodidina an’Antananarivo (suburbaine).  

     

    Les commentaires sont fermées.