Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taolagnaro : 10 ny mararin’ny Covid-19 mitsabo tena an-trano

    Ny asabotsy lasa teo, na­nomboka nampiasa ny fitaovam-pitiliana GenExpert momba ny covid-19 ny teknisianina ao amin’ny distrikan’i Taolagnaro, araka ny fanazavan’ny talem-paritry ny fahasalamana, omaly. Hatramin’ny omaly, 37 ny olona voatily fa mitondra ny tsimokaretina Coronavirus, ora iray aty aorian’ny fijerena ny singa nalaina no mivaly ny fitiliana. Ireo olona efa misy soritr’aretina no ampiasana ny ny fitaovana GenExpert noho ny antony teknika. Misy soritr’aretina avokoa izy 37 fa tsy ahitana tranga sarotra kosa. 27 raisina an-tanana eny amin’ny centre manokana fa any an-trano ny 10 ambiny. Misy fanadihadiana mialoha ny fanekena ny fitsaboan-tena an-trano. Fan­tarina ny toerana misy ilay marary na mitokana na amin’ny faritra be mponina. Manana efitra maro ve izy ireo hahazoana mihiboka mitokana ary firy ny olona iray trano. Arahi-maso isan’andro ireo mijanona an-trano ary manana ekipa ny fari-piadidiam-pahasalamana misahana izany. Hatra­min’izao, ireo mpiasan’ny fahasalamana miankina amin’ny fanjakana no mikarakara ny marary sy ny fitsaboana ary ampy ny fitaovana enti-miasa, hoy ny nambarany.
    Momba ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana, hi­verina hiditra an-tsehatra in­dray ny mpitandro filaminana fa mitady ho goragora ny fanarahana ireny eny anivon’ny vahoaka. Nisy ny fivoriana nijerena manokana ny fepetra hanamafisana ny efa mihatra hatramin’izay noho ny fahamaroan’ny tranga vaovao miseho ao anatin’ny faritra Anosy.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.