Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    “Portrait”, “paysage”…: mampianatra sary koa ny School art

    “Portrait”, “paysage”…: mampianatra sary koa ny School art

    Nisokatra, ary nandray mpianatra, ny alarobia 02 desambra 2020 teo ny ivontoeram-piofanana School art amin’ny alalan’ny fanaovana sary “portrait”, “paysage”. Manofana ankizy ho tonga matihanina eo amin’ny tontolon’ny zavakanto amin’ny alalan’ny fampianarana omena azy ireo. Hanomezan-danja ny talentan’ny tsirairay izany, hiderana an’Andriamanitra, raha ny nambarany. Misy mpampianatra 8 mianadahy ao amin’ny sekoly ankehitriny. Tsy mifidy salan-taona ny fampianarana “art” ao, fa na olon-dehibe na ankizy, rehefa liana amin’ny zavakanto, mety avokoa. “Isaky ny voalohan’ny volana, misy foana ny fampianarana sy fampiofanana amin’ny alalan’ny zavakanto eto amin’ny School art”,  hoy i Nofy Ramiadason, talen’ny sekoly. Misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra izy ireo, amin’ny alalan’ny tambajontran-tserasera facebook pejy “School Art” sy ny kaonty facebook “Nofy Ram”. Marihina fa ny School Art, etsy Anosisoa Ambohimanarina, eo ampitan’ny Banque BNI Anosisoa no anisan’ny handray anjara amin’ny “concert des élèves”, izay hatao ny 19 desambra izao, etsy amin’ny Shoprite Analakely.

    Narilala

     

    Les commentaires sont fermées.