Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toetr’andro: rivodoza roa hafa miforona ao an-dranomasina

    Toetr’andro: rivodoza roa hafa miforona ao an-dranomasina

    Ahitana fiforonana andro ratsy roa hafa indray ao amin’ny ranomasimbe Indianina raha ny tazan’ny mpmantatra ny toetry ny andro amin’ny zanabolana. Manomboka mihamiforona ao an-dranomasina izy ireo ary manangona hery izay tsapa ao anatin’ny 48 ora.

    Heverina hanome vahana hampatanjaka azy, indrindra koa ny atmosfera eny an-dranomasina, raha ny vinavina hatrany.

    Hizotra mianandrefana manatona ny morontsiraka ny fahitana azy ao anatin’ny dimy andro ho avy. Any amin’ny herinandro ambony any mihitsy anefa vao mety ho lasa rivodoza ity faritra andro ratsy ity raha ny fahitan’ny Meteo azy.

    Arahi-maso akaiky, araka izany, ny fivoaran’ireo faritra andro ratsy roa ao amin’ny ranomasimbe Indianina ireo.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.