Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vatsy… fianarana ratsy

    Vatsy… fianarana ratsy

    Sarotra ny miala amin’ny mahazatra? Na toetra nanahary faharoa ny fahazarana… Vao mainka ny hoe fanovana amin’ny fitantanan-draharaha: mila miova aloha ny tena, raha te hanova ny toetra amam-pomba hatramin’izay amin’izay atao. Tsy anisan’izany ve, ohatra, ny amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra eny anivon’ny oniversite?
    Saika tarazo ratsy hatramin’izay io fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatry ny oniversite io? Tazom-bola saika mitsingerina isan-taona. Nahoana? Tsy mety ho sitrana tanteraka, tsy misy fanafana be ihany. Tsy vao izao koa fa efa nisy teo amin’ny mpitondra sy ny tomponandraikitra nifandimby… taona maro. Mandra-pahoviana?
    Aiza marina ny lesoka na iza no tsy maka lesona amin’izay nisy sy niainana hatramin’izay? Be ny fanontaniana mila valiny toy izany. Toy ny fisehoan-javatra maro efa niseho sy niainana… tsy vao izao. Mahagaga sy mahavalalanina, mampalahelo sy mahamenatra… Odian-tsy hita na tsy mampiraika, efa mahazatra na tsy mahataitra.
    Efa fantatra izao fa tsy maintsy aloa amin’ny fotoany ny vatsim-pianarana sy ny fampitaovana ny mpianatra eny amin’ny oniversite, saingy miseholany hatrany ny olana… saika ho isan-taona. Firy tao-maty izay? Tsy misy fandinihana sy fikarohana izay vahaolana, tsy misy fanarenana ny fahavoazana, tsy misy fanavaozana, tsy misy… Aoka re e!
    Saika miafara amin’ny fitakiana lavareny, fampitandremana, fitokonana hatrany ny raharaha. Nahoana? Nefa hoe tsy maintsy aloa izay vatsim-pianarana sy fampitaovana ho an’ny mpianatra izay. Misy antony ao. Ny dingana arahina sy ny fombafomba amin’izany ve, ohatra, no ela sy mitarazoka? Na misy manao fanahy iniana fotsiny izao…
    Ny vola no fototry ny ratsy rehetra; eny, na toy inona fanazavana. Mitaky fahasahiana sy fanovana na fanavaozana… mba tsy hiverimberina. Na hivadika na avadiky ny sasany ho zavatra hafa… Rahoviana na aiza indray? Sanatria. Mila miala na esorina… Tsy ho fianarana ratsy amin’ny fitantanana ny fandoavana vatsim-pianarana.

    Rafaly Nd.

    Les commentaires sont fermées.