Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kaomandin’ny ZDS: nahazo toromarika avy amin’ny minisitry ny Fiarovana

    Kaomandin’ny ZDS: nahazo toromarika avy amin’ny minisitry ny Fiarovana

    Nankahery ireo kaomandin’ny faritry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana na “Zone de défense et de sécurité” (ZDS) manoloana ireo asa iantsorohan’izy ireo ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotonirina Richard, omaly teny Ampahibe. Nanamafy tamin’izy ireo ny andraikiny sy nanome toromarika amin’ny fanatanterahana izany ny votoatin’ny fihaonana. Izy ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny lafiny fandriampahalemana ao amin’ny faritra iadidiany. “Izy ireo ny mandray an-tanana ny fibaikoana sy ny fandrindrana ireo hetsika fampandriana fahalemana ao amin’ny faritra iasany sady misolo tena ny Etamazaoron’ny Tafika ihany koa”, hoy ny MDN. Rafitra vaovao napetraka amin’izao fanavaozan-drafitra izao ny ZDS ka manafoana ny faritany miaramila teo aloha. Miisa 10 izy ireo: ny ZDS Ankarana (avaratra), ny ZDS Ankarafantsika (avaratra andrefena), ny ZDS Tsiribihina (andrefana), ny ZDS Tsiafajavona (afovoany andrefana, Itasy), ny ZDS Ikopa (afovoany), ny ZDS Pangalana (atsinanana), ny ZDS Andringitra (afovoany andrefana, Fianarantsoa), ny ZDS Matitanana (atsimo atsinanana), ny ZDS Fiherenana (atsimo andrefana), ny ZDS Mandrare (atsimo).

     

    Hanafainganana ny iraka ny fisian’ny ZDS…

    Ny fampiharana ny fanavaozan-drafitra eo anivon’ny Tafika malagasy sy hamerenana ny filaminana ary ny fandriampahalemana manerana ny Nosy no tanjona amin’izao fanovana izao. Manoloana ny fiovan’ny ambana ankehitriny, hita fa tsy mifanaraka amin’izany ambana izany ny rafitra nisy ao anatin’izany faritany miaramila teo aloha izany. “Midadasika loatra ny faritany miaramila teo aloha ka ka manano sarotra ny fibaikoana sy ny fanaparitahana ireo miaramila hamita iraka”, hoy ny MDN. Napetraka ny ZDS hifehezana kokoa ireo faritra iadidiany sy hanafainganana ny fanatanterahana ireo iraka momba ny fandriampahalemana.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.