Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Lahatenin’ny ambasadaoro Guo Xiaomei: “Maherin’ny 98 tapitrisa ireo Sinoa afaka amin’ny fahantrana”

    Lahatenin’ny ambasadaoro Guo Xiaomei: “Maherin’ny 98 tapitrisa ireo Sinoa afaka amin’ny fahantrana”

    Lesona sy fakan-tahaka. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny ambasadaoro sinoa, i Guo Xiaomei, tetsy Nanisana, omaly tamin’ny andiany voalohany “Salon des médias de l’ambassade de Chine”, ny lalana nodiavin-dry zareo. “Tratra ny tanjona tamin’ny taona lasa ny hampihenana ny fahantrana. Tafavoaka sy afaka tamin’ny fahantrana ny mponina ambanivohitra hatrany amin’ny 98 990 000 », hoy izy tamin’ny alalan’ny « viseo-conference ». Lasa mialoha 10 taona izany raha hatrany amin’ny 70% ny mponina maneran-tany no ho afaka amin’ny fahantrana, araka ny fandaharanasa ho an’ny fampandrosoana maharitra nambaran’ny Firenena mpikambana hatramin’ny taona 2030. Nanteriny fa anisan’ny nahatongavana amin’izany ny hetsik’ireo mpikambana eo anivon’ny antoko kaominista sinoa (PCC), nijery manokana ireo sahirana sy ny tanora na koa ireo zokiolona tany ambanivohitra rehetra any. « Ny tombontsoa iombonana aloha no voalohany sy zava-dehibe », hoy ny ambasadaoro.Voatsiahy tamin’izany koa ny dingana nolalovan’ny PCC, nanomboka hatramin’ny niforonany ny taona 1921 raha mbola 50 ihany ireo mpikambana tamin’izany. Tonga tany amin’ny fahazoana ny Fahaleovantena izany ny 1 oktobra 1949 ary nampijoro ny Repoblika entim-bahoakan’i Sina. Voaresaka koa ny fiaraha-miasan’ny firenena roatonta tao anatin’ny 49 taona sy ireo zava-bita na fotodrafitrasa naorian’izy ireo eto…

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.