Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CUA – Fondation Axian: nahazo kianja marolafy Anosizato Atsinanana I

    CUA – Fondation Axian: nahazo kianja marolafy Anosizato Atsinanana I

     

    Nisitraka kianja fanatanjahantena vaovao na “1er Terrain Multisport” etsy Anosizato Atsinanana I ny 30 avrily lasa teo. Entina hitaizana ireo tanora maro sy ireo mpankafy fanatanjahantena izany. Na dia eo aza ny krizy ara-pahasalamana dia tsy nitsahatra ny niasa hatrany ny eo anivon’ny CUA.  Izany indrindra no nananganan’izy ireo ity kianja vaovao ity izay hiarahan’ny “Association Sportive et Culturelle des Jeunes d’Anosizato” ASCJA sy ny CUA mitantana. Tonga nitokana izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina natrehin’ny talen’ny  Fondation Axian, Isabelle Salabert sy ny Tale Jeneralin’ ny Mvola, Matthieu Macé izay nanampy tamin’ny fanaovana ny tetikasa. Tonga nanatrika izany koa ny talen’ny Association Sportive et Culturelle des Jeunes d’Anosizato (ASCJA) izay mpitantana ny toerana ary ny Sefo fokontany Anosizato Atsinanana I.

    Tsiferana Randriatana

    Les commentaires sont fermées.