Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

      Fanafihan-dahalo mitam-basy: olona roa maty, 06 natao takalon’ aina

     

     Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika ny fokontanin’Anjamahitsy, kaominina Analamitsivala, distrikan’i Mahabo, ny alin’ny alatsinainy teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany. Nandroba sy nanafika toeram-pivarotana miisa roa tao an-toerana ireo andian’olon-dratsy nirongo basy. Vokany, lasan’ireo malaso avokoa ny entana rehetra tao amin’ireo tsena madinika ireo, voaroba ihany koa ny vola rehetra. Tsy vitan’izay fa mbola nitifitra olona miisa roa koa ireo dahalo ka maty vokatry ny tifitra nahazo azy ny lehilahy 23 sy 30 taona. Taorian’ny asa ratsiny, nitondra takalon’aina enina teo an-toerana ny dahalo. Tsy nipetra-potsiny anefa ny fokonolona fa nampandre ny mpitadnro filaminana sy nanara-dia avy hatrany. Niroso nianavaratra ny tanàna ireo malaso, ny tafika sy ny zandary kosa nanao ny fanakanan-kizo.

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.