Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Mitondra hevitra sy mitsinjo lavitra isika…”

    Minisitra Andrianainarivelo Hajo : « Mitondra hevitra sy mitsinjo lavitra isika…”

    Nizara kara-tany, miisa 9 000 tany amin’ny kaomi­nina Kiangara, Ankazobe ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany (MaTSF), Andrianainarivelo Hajo, omaly. Nanafatrafatra ny va­hoaka sy ireo tompon’andraikitra ny tenany tamin’izany. “Ilaina arahana ny lalàna sy ny fitsipika. Mitsinjo lavitra sy mitondra hevitra rehefa mitondra. Manamora ny hetahetan’ny vahoaka ary mitady vahaolana izany tompon’andraikitra izany, ahafahana mandroso”, hoy izy. Nante­riny tamin’izany fa andraisana fepetra ireo mety mihoa-pefy amin’ireo mpiasan’ny minisitera. Ialohavan’ny fanitsiana izany.
    Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tany an-toe­rana ny fizarana kara-tany faobe ho an’ny faritra Anala­manga. Maherin’ny 2 8000 ireo hozaraina, iarahana amin’ ny Casef. Mamaha ny olana eny anivon’ny fiarahamonina sy ny mety ho lonilony ny fa­hazoana izany ary ho lova mipetraka ho an’ny taranaka, araka ny nambaran’ny minisitra. Tsy azo ekena kosa anefa ny fakan’ny orinasa kara-tany. “Misy fepetra tsy maintsy ara­hina vao azo raisina ny fanapahan-kevitra momba izany”, hoy izy. Ferana tsy hihoatra ny 10 ha kosa ny velarana ho an’ny kara-tany iray. Misi­traka izany ireo efa nana­mainty molaly.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.