Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    FAKAFAKA: Mitondra inona ny inona ?

    Mankalaza an’izao… Manamarika an’izaroa ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ! Mitondra inona izy ireny ? Ao ny nanaitra ny olona tamin’ny torimasony fa tsy ferana ihany koa ny fisian’ny rano natosaka an-damosin-gana. Ilaina ny fankalazana, ny fanamarihana, fa tokony katsahina fatratra ihany koa ny fanaovan-javatra na hetsika mitohy.

    Efa tokony hanana io paikady io amin’izay ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Tsy ho vitan’olon-tokana na fikambanana na vondron’olona vitsy izany fa tsy maintsy mitaky ezaka amin’ny tsirairay any amin’ny sehatra misy azy avy. Asaina miteny malagasy mazava tsara ny ankizy ao amin’ny ankohonana. Ny 98%-ny hira alefa amin’ny Radio, hira malagasy avokoa… Ohatra ihany ireo fa raha tiana hahomby ny ezaka tahaka itony, mila ny fahatsapan-tenan’ny Malagasy tsirairay. Saingy, hatramin’izao, mbola misy ihany ny Malagasy sasany mihevi-tena ho vahiny !

    HaRy  Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.