Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ny rariny, tsy enti-mandefitra…

    Ny rariny, tsy enti-mandefitra…

    Laingalainga, zava-dehibe ny fitanan’ny fitsarana am-ponja vonjimaika ireo miaramila 12 amin’ny 13, misy manamboninahitra voasaringotra amin’ny “Raharaha Bani Ivato”, izay nitranga vono ankizy tsy ampy taona. Inona ny marina? Ho hita eo ny tohiny sy farany. Ho fikarohana sy famoahana ny marina tokoa ny fitsarana? Mba tsy fampandriana adrisa ny raharaha; fa ny rariny, tsy enti-mandefitra.
    Nahoana? Raha tsy nitsahatra nampiaka-peo sy nitaraina ary nanao hetsika manokana ny fianakavian’ny maty, very momoka fa tsy tonga amin’izao dingana izao ny raharaha. Nezahina nokobonina? Na natao izay hampitarazoka azy ela, nefa efa tamin’ny volana jona. Nambaran’ny fianakaviana aza fa nisy ny fialana, fandrahonana, fanakolikolena… Andrasana izay ho vokatry famotorana lalina.
    Raha teo anivon’ny mpitandro filaminana na izay akaiky azy, ohatra, sanatria, no nitrangana raharaha toy izany: eo no ho eo ihany dia manao bemidina ny mpitandro filaminana, manao famotorana, misambotra izay azo samborina, manenjika ara-pitsarana, tsy mamela mahazo… Aoka re! Ny toy izany, sanatria, no tsy itokisan’ny vahoaka ifotony sasany ny mpitandro filaminana; eny, na ny fitsarana aza.
    Misy tsy manao ny asany ara-potoana sy araka ny tokony ho izy ary hatramin’ny farany, raha tsy tabatabaina lava, sanatria? Na anaovana fihetsiketsehana manokana… Raha tsy izany, maty momoka ho azy ny raharaha noho ny lazon’ady amin’ny ampitso ampitso lava, fifampiarovan’ny mpiray asa na sehatra… Tsy ferana ao anatin’izany ny mety ho fisiana kolikoly, tsikombakomba, valifaty…
    Misy tomponandraikitra sasany, isan-tsehatra na isan’ambaratonga, tsy maharaka na tsy mihontsina amin’izay mety ho fitarainan’ny vahoaka ifotony? Na tsy mihetsika raha tsy mby amin’izay mahakasika na manohintohina azy sy izay akaiky azy… Eo, ohatra, ny tahotra ho afa-baraka na ho very toerana amin’ny raharaha tsy takona afenina na odian-tsy hita. Raha tsy izany, mila mitabataba na mihetsika ny vahoaka?

    Rafaly Nd.

    Les commentaires sont fermées.