Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mbola tsy fandriampahalemana ihany…

    Mbola tsy fandriampahalemana ihany…

    “Marefo ny fandriampahalemana”, ny sekreteram-panjakana misahana ny Zandarimariam-pirenena tany amin’ny faritra Analanjirofo, ny faran’ny herinandro teo. Hatramin’izao, ny tsy fandriampahalemana no anisan’ny fototra sy fositra mahasarotra sy mahamafy ary mahaela ny fampandrosoana ankapobeny. Tsy afa-mamokatra sy miasa araka ny tokony ho izy, ohatra, ny isan-tsehatra. Raha misy aza ny famokarana, ahina hanaovany sasany latsaka alina na horobain’ny jiolahy amin’ny fitaterana azy.

    Zava-dehibe ny fandriampahalemana sy filaminana. Tsy hoe tsy fisian’ny asan-jiolahy ihany, fa eo indrindra koa ny filaminana sosialy amin’ny fiainana andavanandro. Marin-toerana ve, ohatra, ny vidin-javatra fa tsy ampitaintain-dava isaky ny mihetsika? Na tsy takatry ny fahafaha-mividy noho ny fiovaovany, na saro-tadiavina noho ny tsy fahampiana… Toy izany koa ny eo amin’ny sehatry ny fandraharahana: mba mahazo antoka amin’izay ataony ny mpampiasa vola? Na vahiny izay, na teratany.

    Tsy latsak’izany ny eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana: afa-mitsabo tena raha marary, mahazo fanafody sahaza… ? Na ny fanabeazana sy fampianarana hahazoana antoka ny ho avy ho tsaratsara kokoa; ny sehatry ny asa hoe mahavelona sy maharitra… Mila marin-toerana fa tsy atao kitsapatsapa lava izany, azo antoka sy mendrika ny maha olona, mampandroso… ? Mety manakorontana ny fiainana andavanandron’ny vahoaka amin’ny tsy ampoiziana na kely foana, raha tsy marin-toerana sy marim-pototra?

    Tsy vitan’izay, ny mety ho tsy filaminana amin’izany no andrasan’ny mpanao politika sasany kendry tohina hokororohina ho tsy fahombiazana sy fahavoazana amin’izay ataon’ny fitondrana amin’izao: tsy maika amin’izay tena tokony ho laharam-pahamehana, ohatra, tsy mitsinjo ny fiainam-bahoaka… Izany no avadika ho korontana politika ho azy amin’izao? Efa misy ny mamendrofendro ambony ihany amin’izay ho fiatrehana ny fifidianana 2023. Mbola marefo ny  fandriampahalemana sy filaminana?

    Rafaly Nd.              

     

     

    Les commentaires sont fermées.