Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Dona kely… mandrava be 

    Dona kely… mandrava be 

    Misy ny hoe mandona tapany hahazoana erany? Hafetsifetsena, fanambakana… Eo amin’ny politika amin’izao, karazana dona kely… mandrava be? Na ahina ho izany… Nahoana? Efa fantatra fa na inona na inona mitranga sy ataon’ny mpitondra, tsy mety amin’ny mpanohitra avokoa amin’ny fitsikerana. Raha tsy manao izany izy ireo no hafahafa fa toa tsy mahay ny asany na toy ny tsy misy? Eny, na takina mandrakariva amin’izany aza ny hoe: tsikera mahasoa no ilaina fa tsy fandravana efa, mitondra ho amin’ny fandaminan-draharaha tsaratsara kokoa fa tsy manakorontana…

    Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mihamiakatra sy mihamahery vaika ny maripana amin’izany: famendrofendroana, fampitahorana, fampitandremana… Toy ny hoe hanao inona na hisy inona iny, raha tsy henoina sy arahina ary tanterahina izay tabatabaina etsy sy eroa. Tsy mahagaga? Nefa mety mahatalanjona ihany… Nahoana? Misy ny sempotra ambony ihany ary mila tsy avy miaina amin’izay karazana fampiakaran’ny sasany maripana izany, mahery vaika kokoa noho ny taloha… Dia raikitra ho azy amin’izao ny fifampitsapana hafanana: iza na aiza no tena mafanafana ratsy amin’izany?

    Mafanafana ratsy toy ny ratsy ataon-kavana, fa tsy aiza tsy iza fa ny samy eto ihany; eny, na hoe mety misy mpandrisika aza any ho any… tsy hita na tsy fantatra. Tsy voatery ho ratsy avokoa izay voalaza? Tsy lavina, misy ny hoe valio araka ny hadalany ny adala sao mihevitra azy ho hendry. Eo koa ny hoe tsy misy lehibe noho ny vato; fa raha tsy miteny, hitsahin’ny vorona. Na izany aza, tsy ny tany, hono, no fady fa ny vavam-bahoaka. Misy ny mandraraka menaka amin’ny afo arehitry ny sasany amin’ny kitsapatsapa na kilalaon’afo? Na manampy trotraka izany fa tsy mahazaka rahom-bava…

    Ny tena indray no mety hokorontanina ambony ihany amin’izay ahina na lazaina hoe manakorontana? Na tratran’ny dona kely mandrava be… Mby amin’izay kendren’ny sasany? Korontanina handaminana amin’izay metimety aminy.

    Rafaly Nd.

     

    Les commentaires sont fermées.