Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Jery taratra…Maika sy faingana…

    Araka ny tomban’ny Transparency International-Ini­tiative Madagascar, mbola misy lesoka amin’ny ady amin’ ny kolikoly eto Madagasikara. Anisan’izany ny tsy fisian’ny fiarovana an’ireo mpamelona lakolosy fanairana amin’ny fisiana raharaha kolikoly, nefa voalazan’ny fifanarahan’ny Firenena mikambana (ONU).

    Tonga tany amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny simenitra marika Lucky 42,5 milanja 35 000 taonina. Manaitra ny rehetra ny minisitry ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana fa 23 000 Ar ny vidin’ny iray lasaka eo am-pahatongavana. Noho izany, tsy tokony hihoatra ny 29 000 Ar ny vidiny eny amin’ny mpanjifa.
    Namaly ny ny fangatahan’ny mpanohitra ny amin’ny tokony handravana ny Ceni sy ny HCC ny governoran’ny faritra Analamanga, nilaza fa ny lalàna no nametraka ireo rafitra ireo. Tsara sy mahafinaritra ny fampihavanana, fa tsy natao hitadiavan-tseza. Fanakorontanana ho amin’ny fiaraha-mitantana no tadiavin’ny mpanohitra.
    Vita sonia ny fananganana toby famokarana herinaratra Sahofika, faritra Vakinankaratra, hamokatra herinaratra 192 MW ary mbola azo itarina hatrany amin’ny 300 MW. 900 tapitrisa Euros ny tentim-bidin’ny tetikasa, iarahan’ny ori­nasa Neho sy ny fanjakana malagasy izay mizaka ny 20%. Tokantrano 1 600 000 no hisitraka izany.
    Manao antso iraisam-pirenena amin’ny hanamafisana ny fiaraha-miombon’antoka amin’ny fiatrehana ny haintany any amin’ny faritra atsimo noho ny fiovaovan’ny toetr’andro ny governemanta. Efa fanaon’ny mpiara-miombon’antoka ny mampita antso iraisam-pirenena hanampiana ny any amin’ ny faritra atsimo toy izao.
    Maika sy faingana avokoa izany rehetra izany amin’izao?

    R. Nd.

    Les commentaires sont fermées.