Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Voasambotry ny zandarimaria avy ao Anosy ireo jiolahy saika hivarotra mpianadahy varira avy ao Amboasary Atsimo. Ankizivavikely vao 7 taona sy ny zokiny lahy 21 taona ireo saika hamidy ireo. Mitentina 100 tapitrisa Ar ny iray amin’ireo mpianadahy, hoy ny loharanom-baovao ka izao voasakana izao.

    Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ilay polisy nidaroka lehilahy nitrotro zaza tetsy Ambanidia, ny herinandro lasa teo. Resaka akoho no fototry ny adin’ity polisy ity tamin’io lehilahy io. Voalaza fa maty novonoin’io lehilahy io ny akoholahy mpiadina ka tsy nahatsindry fo intsony izy vao nifanojo tamin’ilay rangaha.

    Nanao fanambarana ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jly Gelle Serge fa afaka miantso azy mivantana izay manana vaovao tena marim-pototra. Tsy nisalasala koa izy nanome ny laharana manokana, 034 14 019 80 raha hifandray mivantana aminy.

     

     

     

     

    Les commentaires sont fermées.