Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Atrikasa – MJS: hampandraisina anjara amin’ny politika ny tanora

    Nifarana ny herinandro teo ny atrikasa ho fampandraisana anjara ny tanora eo amin’ny sehatra politika sy fanapahan-kevitra. Niahy izany ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ka nanokatra izany ny minisitra lefitra misahana ny tanora, Ratovoson Tahiana Juliana. Mpiantsehatra maro isan-tsokajiny ny nandray anjara  ka nahitana tanora mpandraharaha, mpikambana ao anaty fikambanana sy antoko politika ary tanora tomponandraikitra anaty vondrona samihafa. Niara-niasa ka nahatontosa ny hetsika ny “Centre Européen d’Appui Electorale ECES” sy ny Frankofonia  (OIF). “Anisan’ny fanamby amin’ny asa fampiroboroboana ny tanora ny fandraisana anjara azy ireo amin’ny raharaham-pirenena sy ny fanapahan-kevitra raisina rehetra”, hoy ny minisitra lefitra. Mifanojo ihany koa amin’ny fandaharanasan’ny fitondram-panjakana ankehitriny sy ny votoatin’ny “Pacte National des Jeunes”,  novolavolain’ny tanora ny taona 2018, ity atrikasa ity.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.