Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Banky SG Madagasikara: mpiasa 58 nomena medaly

    Banky SG Madagasikara: mpiasa 58 nomena medaly

    Nankasitrahana, ny faran’ny herinandro teo, ireo mpiasa nahavita be tao amin’ny banky Société Générale (SG) Madagasikara. Miisa 58 izy ireo, ka 10 nomena ny « Medailles d’argent et bronze », 9 « Medailles d’argent » ary 39 « Médailles de bronze ». Noarahabain’ny tale jeneralin’ny SG Madagasikara tamin’ny nanehoany ny traikefany avy ireo mpiasa ireo, ny maha matihanina sy ny firaiketam-pony amin’ity banky ity.

    Fanaon’ny banky SG isan-taona ny mankasitraka ny mpiasa ao aminy toy izao, izay tsy ataony ambanin-javatra mihitsy. Tanjon’ny sampandraharaha ny maha olona sy ny mpiasa, « ny miara-manangana, miaraka amin’ny mpanjifa, ahazoana hoavy mamiratra sy maharitra sady mitondra vahaolana ara-bola, tompon’andraikitra sy mikaroka ny zava-baovao hatrany ».

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.