Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fakana an-keriny zazavavy roa: lehilahy iray maty voatifitra, avotra ireo takalon’aina

    Fakana an-keriny zazavavy roa: lehilahy iray maty voatifitra, avotra ireo takalon’aina

     

     Ankoatra ireo olona valo voasambotra voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny ankizivavikely miisa roa tao Ihosy, lehilahy iray hafa mbola karohina fatratra raha maty voatifitra kosa ny namany iray.

    Voasambotra tao amin’ny fokontany Irina, omaly atoandro, ireo olona miisa valo voalaza ho tompon’antoka tamin’ny fakana an-keriny ankizivaviikely miisa roa ny asabotsy teo. Tratra ihany koa ilay renim-pianakaviana isan’ireo atidoha nikotrika ny asa ratsy. Maty voatifitra kosa ny lehilahy iray niray tsikombakomba tamin’ireo jiolahy. Avotra ireo ankizivavikely natao takalon’aina. Nitrangana hala-jaza tao amin’ny fokontany Ambony Avaratra-Ihosy, ny asabotsy hariva teo tokony ho tamin’ny 4 ora. Very tamin’izany ireo ankizivavikely voalaza etsy ambony. Fantatra fa tany amin’ny faritra Androy ny ray aman-drenin’ny iray tamin’ireo zaza ireo raha voalaza fa eto an-drenivohitra kosa ny iray hafa, hoy ny polisy ao an-toerana. Taorian’izay, tonga tao Ihosy ilay renim-pianakaviana miasa any Androy raha tsy hita mihitsy ny renin’ilay zaza iray hafa. Gaga manoloana ny tsy fahatongavan’ny renim-pianakaviana io ny polisy. Ora roa taorian’ny tranga, nahazo antso ny fianakavian’ireo takalon’aina nangataka vola 40 tapitrisa Ar ho famotsorana azy roa vavy. Manoloana izany, nametraka paikady ny polisim-pirenena, antony nahazoana ny vokatra. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa renin’ny iray tamin’ireo ankizivavikely ihany no isan’ny nanao ny asa ratsy. Ankehitriny, olona iray kosa mbola karohin’ny polisy ao an-toerana.

    Olona enina hafa tsy hita popoka

    Ankoatra ny tranga tao Ihosy, nitrangana fakana an-keriny ihany koa tao Ambohimiangaly, fokontany Ambodiaraha-Ambodirano, Morarano Chrome, ny alin’ny alahady teo. Nanapoaka basy sy niditra an-kerina tao amina tokantrano iray ao an-toerana ireo andian-dahalo miisa 15 isa nirongo basy. Nalain’izy ireo an-keriny tamin’izany ny renim-pianakaviana iray manodidina ny 50 taona. Voaroba tamin’izay koa ny basim-boron’ireo tompon-trano. Ankoatra izay, lehilahy iray hafa naheno ny hazolava kosa no naratra voatifitr’ireo dahalo nandritra ny fitsoahany. Lehilahy niasa tanimbary miisa dimy nifanena tamin’ireo tsy mataho-tody ihany koa no nentiny nanaraka azy, hoy ny zandary ao an-toerana. Misokatra ny famotorana ny raharaha.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.