Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fandikan-dalàna ara-tontolo iainana: voatazona am-ponja vonjimaika ny olona 260

    Nanomboka ny taona 2019 hatramin’ny septambra lasa teo, nahatratra 263 ny isan’ny olona voasambotra noho ny fandikan-dalàna ara-tontolo iainana ka ny 89% amin’ireo naiditra am-ponja vonjimaika avokoa, araka ny fanazavan’ny tale iraisam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy eto Boeny sy Betsiboka, Andrianjafy Ihando Niaina. Hatramin’izao volana novambra izao, efa niakatra 260 ireo voatazona am-ponja vonjy maika. Fanaovana harina fandrehitra no fandikan-dalàna betsaka indrindra satria mahatratra 65, ho an’ny fanapahana hazo kosa nisy 46 ary 36 ny doro tanety sy doro ala. Ao anatin’ny faritra arovana avokoa no mitranga ny 76% amin’ireo fandikan-dalàna ireo. Tsy anjaran’ny minisiteran’ny Tontolo iainana fa ny mpitantana ny faritra arovana no misahana ny famonoana ny afo fa manao tantsoroka ny minisitera rehefa tena mirongatra izany. Nanomboka ny fiandohan’ny taona indroa may ny faritra arovana ao Ankarafantsika.

    Hatramin’izao, 3200 ha ny velaran’ny faritra may ka ny 20% ny ala fa bozaka avokoa ny ambiny. 3000 ha ny velarana horakofana ala miaraka amin’ny mpiray ombon’antoka amin’ny fitaleavam-paritry ny tontolo iainana satria ny hazo may rehetra dia tokony harenina.

    Ankoatra ny faritra arovana, manana vina hamboly hazo amin’ny velarana 20 000 ha ny minisitera ka ny 95% iarahana amin’ny mpanohana avokoa.

    Vonjy A.        

    Les commentaires sont fermées.