Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Filohan’ny HCDDED: “Tsy haintsika ny miaina ny demokrasia”

    Raha tsy misy ny demokrasia, tsy afa-miteny ny gazety sy ny radio toy ny Miara-manonja“, satria any am-ponja raha vao miteny. Misy ny demokrasia fa tsy tonga lafatra. Hatao ny hahatonga lafatra azy ka tsy ilana  ny HCDDED, miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna intsony“, hoy ny filohan’ny HCDDED, i Navony Pierre Lenoble, teny Sonierana, omaly. Navoaka tamin’izany ny lah.11 ny gazety-boky “Demokrasia”. “Indraindray, mivilana ny fanehoantsika hevitra fa tsy haintsika ny miaina ny demokrasia“, hoy izy. Ny mamerina ny nataon’ny teo aloha no ratsy amin’ny fitondrana. Tamin’ny Repoblika I : olon’ny fitondrana avokoa ny ao anatin’ny andrimpanjakana sy ny fitantanam-panjakana rehetra. Toy izany avokoa ireo fitondrana nifandimby. Lasa mihaino tatitra vilana ny mpitondra. Samy mila manara-maso ny zava-misy eny an-kianja, na ny mpitondra na ny entina.

    “Anjaran’ny mpifidy koa ny manara-maso ny fifidianana”, hoy izy.  Tokony hanana delege any amin’ny biraom-pifidianana rehetra ny mpanohitra. Tsy ampy ny fandaminan-dry zareo, matoa tsy misy na tsy ampy izany.

    R.Nd.

    Les commentaires sont fermées.