Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hiverina ny soradihin-dry Tsingory…: tena fampisehoana feno no homanin’i Poopy

    Hiverina ny soradihin-dry Tsingory…: tena fampisehoana feno no homanin’i Poopy

    Andro vitsivitsy hijerena ny pitsopitsony sisa… Efa tsara omana kosa amin’ny ankapobeny, ilay fampisehoana hotontosain’i Poopy sy ny namany, ny alahady 28 novambra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora, etsy Antsahamanitra. 5 taona tsy nanao fampisehoana teo amin’ity toerana ity i Poopy, ka rariny raha toa ka efa herinandro maromaro izy sy ny ekipany no nanao famerenana.
    “Fampisehoana feno, satria sady tsy hataonay latsa-danja ny lafiny teknika no hatao miavaka izay rehetra hitranga eny an-tsehatra”, hoy ny avy ao amin’ny Théatrône, mpikarakara. Anisan’ireny ny fiverenan’ny tarika Tsingory, hanaingo amin’ny soradihy. Raha tarafina tamin’ny famerenana, tsy ho latsaky ny ora efatra ny fampisehoana. Notsongaina manokana ireo hira hatolotra, nanamarika ny taona maro niarahan’i Poopy sy ny mpankafy azy. Porofon’ny fitohizan’ny fiarahana kosa ireo hira vaovao, toy ny “Tsy ho irery”, izay efa hita sy re amin’ny haino aman-jery.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.