Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – Cosafa U17: ahina tsy ho afaka hifaninana ny Barea de Madagascar

    Araka ny fanambarana an-taratasy navoakan’ny federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny faran’ny herinandro lasa teo, voahelingelina ny fanomanan’ny Barea de Madagascar kely, hiatrika ny Cosafa U17, tanterahina any Lesotho ny 30 novambra – 9 desambra ho avy izao. Nolazain’ny fampitam-baovao fa noho ny fanakorotanana ataon’ireo olona tsy faly amin’ny fanatontosana ny tetikasan’ny federasiona ka anisan’izany ity Cosafa U17 ity. Tsiahivina fa efa tontosa ny 12 sy 13 novambra lasa teo, ny fitiliana ireo tanora handrafitra ny Barea kely ka miisa 50 ireo voafantina ary tokony hanomboka ny fanomanantena ny 15 novambra lasa teo. Araka izany, voatery hahemotra izany fampivondronana izany.

    Manahy ny federasiona fa raha tsy voavaha izao olana izao, ahina ny mety tsy ho fahafahan’i Madagasikara handray anjara amin’ity Cosafa U17 ity. Tsiahivina fa iray vondrona amin’i Lesotho, Zimbaboe ary Soazilandy ny Barea de Madagascar.

    Etsy ankilany, raha tsy ahitam-bahaolana izao disadisa izao, mety hilatsaka ny sazy avy amin’ny federasiona iraisam-pirenena ka tsy hahazo hifaninana mandritra ny taona maro i Madagasikara.

     

    Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.