Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nentina avy any Ambatondrazaka: sarona ireo voamboana 536 tsy nisy taratasy

    Tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena avy amin’ny kaompanian’Imerina Central, afakomaly hariva, teny Ambatoloana ireo voamboana (palissandre) miisa 536 tsy nisy taratasy. Nentina tamina fiara iray avy any Ambatondrazaka saika hihazo ny renivohitra ireo hazo sarobidy efa voatapaka ireo ka nosakanana avy hatrany. Natao andrimaso ao amin’ny zandary ao Ambatoloana ny mpamily ny fiara sy ny mpanampy azy. Naiditra am-balam-pamonjana mandritra ny 10 andro kosa ilay fiarabe. Nafindra etsy amin’ny

    DREDD etsy Nanisana ireo hazo nalaina antsokosoko. Mbola karohina ny vehivavy iray voalaza fa tompon’ireo hazo sarobidy ireo.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.