Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Sombintsombim-baovao: Rugby – «Doppel Top 20»

    Hidona ny Savony sy ny Bebaoty

    Tontosa ny alahady 21 novambra lasa teo, teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny ampahefa-dalana roa, eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena taranja baolina lavalava “Doppel Top 20”. Ekipa roa no efa fantatra fa nahazo ny tapakila hiatrehana ny manasa-dalana dia ny Cosfa (Bebaoty) sy ny STM (Savony).

    Raha tsiahivina ny vokatra, nomontsanin’ny Bebaoty, tamin’ny isa mavesatra 57 no ho 9 ny 3FAI Ambalavao Isotry. Lavon’ny Savony tamin’ny isa 28 no ho 23 kosa ny JSTA Ambondrona. Nifandanja ny fihaonana teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, raha nisaraka 15 no ho 15.

    MMA Gamma

    Ho any Berlin ny Malagasy

    Hotanterahina ny 7 – 11 novambra izao, any Berlin, ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, taranja MMA Gamma. Hanana solontena i Madagasikara, ka tamin’ny alalan’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, natao farany teo, ny nifantenana ny solontena. Mbola eo am-panaovana ny fitsirihana tanteraka ny tomponandraikitra ka ho fantatra tsy ho ela ny anaran’izy ireo.

    Beach volley

    Hiditra amin’ny fifaninanam-pirenena

    Fandaharam-potoana manaraka miandry ny federasion’ny volley ball, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, beach vbolley. Efa vita ny “1er  circuit” sy ny “2e circuit”, ka ny “3e circuit” ny hotontosaina manaraka any Toliara, ny 17 hatramin’ny 19 desambra ho avy izao. Lalao farany hamaranana ny taom-pikatrohana 2021, ho an’ny FMVB izany. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny tetiandro ho an’ny taona 2022.

     

    Nangonon’i Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.