Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambohimandroso: paraky gasy 1 taonina saron’ny zandary

    Taorian’ireo fototra rongony saron’ny zandarimariam-pirenena, nahitam-bokany koa ny fisavana fiara. Fiarabe iray nitondra paraky gasy sy vovony milanja 1 taonina natao anaty gony miisa 14, tra-tehaky ny zandary. Sarona tao Ambohimandroso, afakomaly, ireo zava-mahadomelina ireo. Ankoatra io, bisikleta miisa efatra nitondra paraky gasy tao anaty gony miisa dimy koa mbola tra-tehaky ny zandary ny andron’io ihany. Taorian’izay, niaiky tokoa ny mpamily sady tompon’ny fiara fa voakarama izy. Ny tompon’ireo entana kosa nandeha taksiborosy.

    Ny orinasa ofmata no nangataka fiaraha-miasa tamin’ny zandarimaria ka nahazoana ny angom-baovao.” , hoy ny fanazavan’ny zandary ao an-toerana. Natolotra ny orinasa ofmata ihany koa ny fanadihadiana manontolo ny raharaha.

     

    Henintsoa Hani

     

    Les commentaires sont fermées.