Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Avaradrano M’Fety »: hitondra seho mankadiry ry  Odyai, Malm, Wada & Yoongs…

    « Avaradrano M’Fety »: hitondra seho mankadiry ry  Odyai, Malm, Wada & Yoongs…

    Mpanakanto maro manana ny maha izy azy no haneho ny « Avaradrano M’Fety » seho mankadiry, eny amin’ny Kianja Fifankatiavana Ankadikely Ilafy. Hanomboka amin’ny 01ora tolakandro ny korana ny alahady 28 novambra ho avy izao. Mpanakanto vao misondrotra sy efa diso fantatry ny maro no hiray sehatra hanafana ny lanonana amin’izany toa an’i Odyai, Malm, Wada & Yoongs ary i Rihanna. Vahiny nasaina manokana kosa i Chamir. Nambaran’ny mpikarakara fa io no vaky sehatra sy fisehoana voalohany ahitan’ny maro an’i Rihanna sy ny talentany ka hoezahiny hanolorana ny tsara avy any aminy ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Tsy vitsy amin’ny hirany rahateo no efa mandeha eny anivon’ny haino aman-jery, toy ny «Namako foana», « Dadanay », ny “cover” ilay hiran’ny tarika Kiaka mitondra ny lohateny hoe : «Any aminay» sy ny maro hafa.

    Narilala

    Les commentaires sont fermées.