Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanabeazana mampiaty: mpampianatra 4.349 efa nahazo fiofanana

    Nampahafantarina omaly ny hetsika andiany voalohany momba ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty, hotanterahina etsy Antaninarenina, ny zoma hoavy izao. Fanabeazana mampiaty : samihafa mifandray, mitovy zo, miara-beazina ho soa. Io no lohahevitra hovoizina amin’izany.

    Tanjona ny hampahafantatra ny olona mikasika ny fanabeazana mampiaty. Voizina ny tsy hisian’ny fanilikilihana ho an’ireo tanora sy ankizy manana fahasembanana na marefo”, hoy ny talen’ny fanabeazana mampiaty, i Mamba Serge Dieu Donné. Kendrena ny hisian’ny fitoviam-pijery eo amin’ny samy olona izay mitovy zo. Misy ny lalàna mifehy na eo amin’ny zon’olombelona na amin’ny zon’ny olona manana fahasembanana izay tokony hampiharina. Hampahafantarina  izany lalàna izany ka anisan’ny anton’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanabeazana mampiaty. Mpampianatra 4349 no efa nisitraka fanofanana momba ny fanabeazana mampiaty. Sekoly miisa 282 kosa no efa nisitraka ny fampiofanana. Ny ankamaroan’ny sekoly manara-penitra,  efa misy ny fotodrafitra manampy ireo ankizy manana fahasembanana ireo.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.