Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanafihan-dahalo, vono olona…: voaroba ny vola 10 tapitrisa Ar

    Nipoaka ny basy, ny alin’ny zoma teo tokony ho tamin’ny 11 ora tao amin’ny fokontany Antsenavao-Vohibato, faritra Vatovavy. Andian-dahalo maromaro teo no nandondona tao am-baravaran’ny tokantrano iray tao an-toerana. Mbola niantsoantso ny anaran’ilay raim-pianakaviana ihany koa izy ireo. Vantany vao namoha ny varavarana ny lehilahy, voatifitra teo amin’ny tendany ka maty tsy tra-drano. Teo no ho eo ihany, nitaky ny vola saika hividianan’ireo tompon-trano, mpanamgom-bokatra ireo fiara ny malaso. Voaroba tamin’izay rehefa avy nampihorohoro ny renim-pianakaviana ny vola mitentina 10 tapitrisa Ar. Tsy sahy nivoaka ny trano ny manodidina raha tsy efa lasa ireo malaso. Namela mananon-tena sy kamboty roa vavy vao 2 sy 6 taona ny maty. Ankoatra izay, lehilahy iray voarohirohy tamina fanafihana mitam-piadina tao Mampikony no voasambotry ny polisy, ny alahady teo. Tratra teo Antsatramanera ny lehilahy niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana samihafa. Sarona tamin’izany ny basy vita gasy miisa telo sy bala maromaro ary “pince”. Voalaza ho atidoha nikotrika sy lehiben’ireo jiolahy mpanao fanafihana ity voasambotra ity. Ireo namany tafaporitsaka kosa mbola karohina.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.