Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiarovana ny rohivoahary: “Mila isaina sy tahirizina ny zava-maniry misy”

    10 ny fehin-kevitra nivoaka taorian’ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny rohivoahary sy ny fahasalamana, izay nikatona ny faran’ny herinandro lasa teo, teto Mahajanga.  Nandraisan’ny manam-pahaizana sy mpikaroka malagasy sy vahiny anjara izany. Anisan’ny nisongadina ny tokony hanomezana andraikitra mafonja ny vondron’olona ifotony amin’ny fitantanana sy fikajiana ny harena voajanahary eto amintsika. Manana andraikitra amin’ny fanaovana tantsoroka ny vahoaka anefa ny mpikaroka mba hirindra sy voafehy ny fitrandrahana ireo harena vokatry ny tany sy ny rano ireo. Hita fa mbola mampiasa ny fitsaboana nentim-paharazana ny 70% -n’ny Malagasy ka mila omen-danja ny zavamaniry azo itsaboana sy ny fitsaboana nentim-paharazana, izay mikirakira betsaka ny rohivoahary.

    Vahaolana naroson’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara (ANTM) izay iray tamin’ireo nandray anjara ny tokony hanisana sy hanasokajiana ny zava-maniry rehetra misy eto amintsika. “Mila rafitra lehibe iray hitahiry ireo ka homena zo sy hasina ny tompon’ny zava-maniry, izay nizara ny fahalalana momba azy. Matetika ireo mponina eny ifotony mikirakira ny rohivoahary no mahafehy ny fampiasana ka tokony hisy tambiny  hiverina any aminy”, hoy ny filohan’ny ANTM, Andriandrainarivo Rasamivelo Josephin. Rehefa misitraka tombontsoa ny vondron’olona eny ifotony, mora kokoa ny fiarovana ny rohivoahary.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.