Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fihanaky ny Covid-19: nosokafana indray ny CRCO Vakinankaratra sy Atsimo Andrefana

    Miverina miasa indray ireo CRCO amin’ny faritra maromaro, indrindra amin’ireo ahitana ny trangan’aretina covid19 indray tato ho ato.Anisan’izany ny CRCO Atsimo Andrefana.

    Misy aretina ahina avy amin’ny distrika iray ary maty ilay olona. Efa mihatsara kosa ilay tranga iray voaporofo tany an-toerana.

    Manentana ny fitandremana rehetra ny CRCO. Mbola ambany ny tahan’ny fanaovam-baksiny, 1,4 raha  3%-n’ny vahoaka no tokony ho vita vaksiny hatramin’ny faran’ny taona. Entanina, indrindra ireo manana aretina mitaiza mba hanao vaksiny ialana amin’ny tranga misy fahasarotana. Ny ekipan’ny mpanao vaksiny no hidina ifotony manomboka izao.

    Niverina nosokafana koa ny CRCO ao Vakinankaratra  satria efa 33 ireo voapofo fa mitondra ny aretina. “Mbola tsy misy ny sakana ara-pahasalamana fa ny fanaraha-maso ara-pahasalamana no efa mihatra hatreto“, hoy ny governoran’ i Vakinakaratra, i Vyvato Rakotovao. Hifehezana ny fihanaky ny tranga vaovao ao an-toerana, napetraka eo amin’ny distrikan’i Mandoto anelanelan’i faritra Vakinankaratra sy ny faritra Menabe ny fanaraha-maso ara-pahasalamana ho an’ireo olona mifamezivezy.

    Etsy an-kilany, mitohy ny fanentanana ny olona ifotony ataon’ny tomponandraikitra ao an-toerana.

    Tsiferana

    Les commentaires sont fermées.