Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Instat – EPM: hamantarana ny fari-piainan’ny Malagasy

    Instat – EPM: hamantarana ny fari-piainan’ny Malagasy

    Hanomboka tsy ho ela ny fanadihadiana ny fari-piainan’ny tokantrano malagasy (EPM*) hampanaovin’ny minisiteran’ny Toekarena sy fitantanam-bola, amin’ny alalan’ny Instat . Miisa 280 ny isan’ireo hanao fanadihadiana, mizara ekipa 70 hiasa amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy. Fantarina amin’izany ny fari-piainan’ny tokantrano iray : fidiram-bola, tahiry, asa , fahafahana mitsabo tena , fanabeazana ny ankizy, toeram-ponenana, fitaterana, fialam-boly, fomba amam-panao,

    Avy amin’izany fanadihadiana izany ny hamantarana ny fari-piainan’ny Malagasy, ny elanelana misy , ny fahasamihafana isam-paritra. Fantarina indrindra ny hoe fahantrana. Koa miainga amin’izay ny hamaritana politika momba ny sosialy sy toekarena. Tokantrano 16 896 no hanaovana fanadiahadiana, ary efa misy kajy ataon’ny Instat hamaritana izay tsara ho fantatra. Nanafatra ny tale jeneralin’ny Instat mba ho tarehimarika azo antoka no hiasana . Isaky ny roa na telo taona ny hanaovana azy io, saingy sivy taona lasa no nanaovana izany farany. Mpiara-miombon’antoka, Banky iraisam-pirenena, Fnuap, OIT, Unicef, Pnud.

     

    Ndrina

    EPM* : Enquête permanente auprès des ménages

    Les commentaires sont fermées.