Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Journée des métiers: 200 ny tolotrasa miandry ireo tanora

    Journée des métiers: 200 ny tolotrasa miandry ireo tanora

    Niteraka krizy arakasa ny fihibohana lavareny tamin’ny taon-dasa. Izany indrindra no antom-pisian’ny journée des métiers mandritra ny roa andro, ka hanolorana asa 200 ho an’ireo tanora.

    Hotanterahina rahampitso 25 sy ny 26 novambra izao ny journée des métiers etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena, karakarain’ny All Com Event. Fantatra tamin’izany fa tolotrasa 200 no miandry ireto tanora eny an-toerana mandritra ireo roa andro ireo. 35 ny orinasa handray anjara ary hihaona mivantana amin’ireo mpitady asa ny tomponandraikitry ny orinasa.  Hisy koa ny fandraisana ny CV mivantana.

    Marolafy ny karazan’asa misy, izay entin’ireo orinasa mandritra ny roa andro. Anisan’ny maro amin’izany ny resaka “call center”, izay tena ilana ny tanora, ny resaka varotra…

    Hisy koa ny atrikasa momba ny fandraharahana eny an-toerana  ho fanentanana ny tanora hiditra amin’ny sehatry ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola fa tsy hionona amin’ny asa mahazatra. Nandrava asa maro ny fisian’ny fihibohana lavareny tamin’ny taon-dasa ka anisan’ny fandraisana anjara amin’ny fanarenana izany ity hetsika ity, hoy ny mpikarakara, i Tsilavina Alain, avy amin’ny All Com Event.

    Tatiana A

    Les commentaires sont fermées.