Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mioty Voary By Pass: handray ny tarika Iraimbilanja

    Mioty Voary By Pass: handray ny tarika Iraimbilanja

    Efa nampanantena ny tarika Iraimbilanja fa hisy ny seho goavana, saingy nosomparan’ny toe-java-nisy nandritra ny roa taona izany. Tsy maintsy hisy io amin’ny taona ho avy, raha ny fiomankomanana any ambadika any. Mandra-piandry izany, mamaly hatrany ny fangatahan’ny mpankafy, amin’ny alalan’ny “cabaret” hatrany ry Batata sy ny tariny. Fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny Espace Mioty Voary By Pass indray ireto andrarezin’ny mozika rock ireto, ny zoma 26 novambra izao, manomboka amin’ny 8 ora alina.
    Hiompana amin’ireo hira tena nahafantarana ny tarika Iraimbilanja hatramin’izay ny fiarahana, raha ny nambaran’ny mpikarakara. Noho ny fangatahan’ny mpankafy hatrany izany, na dia fanaon’ny tarika koa aza ny mamerina ireo hirana tarika vahiny hafa ankafizin’izy ireo, rehefa “cabaret”.

    Zo ny Aina

    Les commentaires sont fermées.