Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nidoboka eny Tsiafahy: gadra 5 taona ilay raim-pianakaviana nanolana ny zanany mirahavavy

     

    Tsy milefitra ny fitsarana ! Voaheloka higadra dimy taona, sazy mihatra eny Tsiafahy ilay raim-pianakaviana nanolana ny zanany mirahavavy.

    Habibiana tsy roa aman-tany no nanaovan’ilay lehilahy 39taona ny zanany roa vavy. Isaky ny mivoaka ny tokantranony ilay renim-pianakaviana, vadiny no mijaikojaiko mamonjy ireo menaky ny ainy io lehilahy io. Lazainy ho manafosafo azy ireo eo am-patoriany izy kanefa manararaotra manao ny filan-dratsiny.

    Re nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha, ny alakamisy teo fa tsy vao izao no nanaovan’io raim-pianakaviana io ity tranga mamoafady ity. Efa ho enin-taona no tsy sasatry ny nanolana an-janany izy. Izany hoe, nanomboka ny taona 2014 no niaina am-pahanginan’ny filana ara-nofo nataon’ny rainy ireo mpirahavavy vao 12 sy 19 taona. Niezaky ny niaro tena hatrany io raim-pianakaviana monina etsy Ankadifotsy io nandritra ny fotoam-pitsarana ny raharaha. Nanda ny fiampangana azy izy. Nanazava ihany koa fa nanafosafo sy nampatory an’ireo zanany no nataony. Tao anatin’izany, tsy sahy nitantara ny zava-nanjo azy ireo na tamin’iza na iza koa ireo mpirahavavy iray tampo noho ny tahotra niajady taminy.

    Nisintona ny fitoriana

    Noho ny hafenoan’ny rano be loatra, nilaza tamin’ny reniny ny filan-dratsin’io rainy ireo ankivavikely varira. Hatairana ihany koa ny nahenon’ilay zanany vavy ny zava-misy marina mandritra ny fotoana tsy maha eo azy. Araka izany, nametraka fitoriana an-drangahy vadiny ilay ramatoa, ny volana avrily 2019 .Voasambotra nanaraka izay ilay raim-pianakaviana nahavanon-doza. Nalaina am-bavany ny lehilahy, avy eo, niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha ary  nidoboka am-ponja teny Tsiafahy izy. Volana maro taorian’io,  niakatra fitsarana izao. Nandritra ireo fotoana ireo, nanatsoaka ny fitoriana nataony ilay renim-pianakaviana. Nitsetra an’ireo zanany mirahavavy nalahelo mafy ny rainy ihany koa izy.

    Naharitra ora maromaro no nihainoana ireo mpitsara sy ilay nitory. Taorian’izay, nihatakataka nikaon-doha namoaka ny didim-pitsarana ireo mpitsara samihafa. Tokony ho 15minitra teo ho eo, nilatsaka ny didy ! voasazy higadra dimy taona eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza.

     

    Henintsoa Hani

    Les commentaires sont fermées.