Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

     

    Hiakatra fampanoavana anio ny raharaha nahatrarana ilay fiara nitondra voamboana, ny alahady teo. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, tsy mbola voasambotra ilay vehivavy voalaza ho tompon’ireo hazo sarobidy 536 isa nalaina avy any Ambatondrazaka ireo. Tsiahivina fa tra-tehaky ny zandary teo Ambatolaona raha saika hihazo ny renivohitra ny fiara nitondra ireo harem-pirenena nalaina an-tsokosoko ireo.

    Lehilahy iray sahabo ho 40 taona no hita faty, omaly maraina, teny Ambodiapanga Antanetibe Itaosy. Mamo ny lehilahy ary nianjera tamina tariby mitondra herinaratra ka maty tsy tra-drano, hoy ny fanazavan’ny manodidina. Olon-tsotra sy irakirak’ireo mponina eny an-toerana Itompokolahy.

     

    Les commentaires sont fermées.