Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tsy fahitana ny atidoha mikotrika: valan-ketraka amin’ny ilana ny zaza varira ny CFM

    Tsy fahitana ny atidoha mikotrika: valan-ketraka amin’ny ilana ny zaza varira ny CFM

    Mitovy amin’ny halatra taolam-paty indray koa. Atao andrimaso tahaka ny omby koa izao ireo zaza varira any atsimo, araka ny nambaran’ny filohan’ny CFM, i Maka Alphonse, omaly. “Tsy ny omby intsony no andrasana fa ireo zaza madinika, indrindra fa ny varira”, hoy izy. Nahazo vahana ny fakana an-keriny azy ireo any Amboasary Atsimo. “Efa nisy tratra sy nampidirina am-ponja”, hoy ihany izy. Nanteriny fa lasa  “bizna” ary misy  anarana voatonontonona nefa hatramin’izao tsy fantatra amin’ny fanadihadiana ny tena atidoha amin’ny fahatrarana ireo nanao izany.

    Hatreto koa, tsy mazava ny tena ilana ireo zaza ireo. Honohono tahaka ny rehetra ihany no nandrenesany fa ilaina ny mason’ireny zaza varira ireny. “Toy ny misy diamondra na koa mety anaovana sorona hananana volabe sy harena ka anton’ny mampirongatra ny fakana an-keriny na fanjavonana zaza varira”, hoy izy. Nohitsiny anefa fa tsy tokony atao ambanin- javatra ny tranga tahaka izao fa miteraka olana sosialy sy korontana any Atsimo.

    Synèse R. 

     

    Les commentaires sont fermées.