Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Azon’i Ambinintsoa July ny “Prix Geoffrey D. »

    Azon’i Ambinintsoa July ny “Prix Geoffrey D. »

     “Chargé d’étude” sady “doctorant” eo anivon’ny Antenimierampirenena i Ambinintsoa July Diana Fandro. Anisan’ireo  nifaninana tamin’izao andiany fahenina amin’ireo mpiasa eo anivon’ny APF izao ary nandimby ny toeran’ilay teratany borkinabe, nahazo izany teo aloha. Fankasitrahana omen’ny parlemantera Frankofonina ho an’ny mpiasan’ny Antenimiera nilofo tamin’ny asany nandritra ny taona ny “prix Geoffrey-Dieudonné”. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ny teny frantsay eny anivon’ny parlemanta ity teratany malagasy ity ka izao nibata ny valisoa izao.

    Marihina fa fifaninanana andraisan’ny parlemanta maneran-tany miteny manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay anjara ny “Prix Geoffrey-Dieudonné. Noraisin’ny filohan’ny Antenimiera, Razanamahasoa Chrisitine ny tenany, omaly. Noderainy manokana ity mpiasa etsy amin’ny lapan’i Tsimbazaza ity amin’ny nahazoany izany laza ho an’i Madagasikara eo anivon’izao tontolo izao izany. “Sambany ny nahazoantsika izany. Manana ny fahaiza-miasa sy ny fahendrena teo amin’ny asa eto anivon’ny Antenimiera izy”, hoy izy.

    Synèse R. 

    Les commentaires sont fermées.